ActualitésTsidika

Masindray : Nisy ny fifantenana ireo mpilalao ao anatin’ny taranja baolina kitra

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny dingana voalohany amin’ny fanaovana fizaran’asa sy fifantenana ireo mpilalao izay hiatrika ny fifaninana any amin’ny ligy voalohany ho an’ny taona 2022-2023. Dingana voalohany izy ity, izay nataon’ny mpikarakara ny fifaninana amin’ny lalao baolina kitra ao amin’ny kaominina Masindray.

« Mpilalao 15 no nofantenana nandritra ity dingana voalohany ity, azo lazaina nahafa-po ny vokatra azo satria manana ny lenta sy ny fahaizana amin’ny fihatrehana ny fifaninana hifanadrinana any amin’ny ligy ireo voafantina ireo » hoy i Rado, mpilalao baolina kitra.

« Anisan’ny ilaina tokoa hampisy ny lenta ao anantin’ny fifaninana ao anatina taranja iray ny fizaran’asa sy ny fifantenana mpilalao. Efa mankany amin’ny professionnel kokoa izy amin’izay fotoana izay. Amin’iny fotoana iny mantsy no hijerena ny fahaiza-manao sy ny tanjaky ny mpilalao indrindra raha hoe mieritreritra hiatrika fifaninana lehibe » hoy ny mpampanao fanazara-tena baolina kitra.

Maro tokoa ireo zatovo no liana amin’ny tontolon’ny baolina ankehitriny ary maniry ny ho lasa lavitra anatin’ity taranja ity. Mbola misy ny toerana banga ary misokatra ny klioba ho an’ireo izay maniry handay anjara amin’izany. Misy anefa ireo fepetra takiana ao anatin’izany toy ny salan-taona, ny halava, ny fahafeezana ny baolina kitra, manana tanjona sy lenta amin’ny filalaovana ary vonona hanaraka ireo fitsipika isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire