Royaume-Uni : Vehivavy indray no lehiben’ny governemanta
I Mary Elizabeth Truss antsoina hoe Liz Truss no voafidy praiminisitra vaovao ao Royaume-Uni. Faha 56 misahana izany toerana izany izy ary vehivavy fahatelo mitazona ny andraikitra. Raha tsiahivina dia sekreteram-panjakana nisahana ny raharaham-bahiny sy ny Commonwealth ary ny fampandrosoana tao Royaume-Uni izy nanomboka ny taona 2021.
Liz Truss, 47 taona no handimby an’i Boris Johnson rehefa nifanandrina tamin’i Rishi Sunak, mpikambana ao amin’ny antoko Conservative Party. Araka ny fomba fanao ao Royaume-Uni dia ny 6 septambra teo i Liz Truss no nifampiresaka voalohany tamin’ny mpanjaka Elisabeth II tao amin’ny Balmoral Castle tao Ecosse.
Nanambara kosa i Liz Truss nandritra ny lahateny nataony tamin’izany fa hiatrika ny tafiotra mianjady amin’ny firenena eo amin’ny sehatra ara-toekarena ary hampivoatra sy hampamiratra an’i Royaume-Uni. Nampatsiahy ny fanamby sy ny fanavaozana entiny sy ny fampihenana ny hetra ihany koa izy nandritra izany.
