France : Tsy mahatoky ny mpitarika fiangonana ny 66% amin’ireo katolika
Nampiena ny fahatokisan’ireo mpino amin’ny mpitarika fiangonana ny zava-niseho nandritra ny taona maromaro. Nanao tatitra ny La Croix ny alakamisy teo fa 66% ireo katolika nohadiadiana no mahatoky ireo mpitarika ireo intsony.Nanameloka ny zava-nisy tamin’ny 5 oktobra ihany koa ireo mpino ireo raha ny fanazavana, izay raha tsiahivina dia nanameloka mpitondra fivavahana samihafa nanao herisetra ara-nofo tamina ankizy 330 000 nanomboka ny taona 1950. 90% amin’ireo nohadihadiana ihany koa dia nilaza fa tokony omena ny vehivavy ny andraikitra sahanina ao amin’ny fiangonana.
