Tranga fahamaizana tao Tomasina.
29 Oktobra, 08h00. Trano 15 may tao Analakininina Toamasina omaly maraina. Tonga nanampy tamin’ny famonoana ny afo ireo miaramila ao amin’ny ZDS Pangalana. Manodidina ny 90 eo ireo olona traboina taorian’ny fahamaizana.
