ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mitohy ny fametahana ireo jiro cobra

Mitohy hatrany ny asa fametahana ireo jiro cobra, manazava ny lalana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny faran’ny herinandro iny, teny amin’ireo toeram-piantsonana sy  ny faritra manodidina an’i Mahazo indray no nametrahan’ny tomponandraikitra izany, niaraka tamin’ny orinasa Jirama.

« Toeram-piantsonan’ny bus eny an-toerana sy manazava ireo faritra manodidina teny Mahazo iny indray no nisitraka ny jiro EP (cobra) mba ialana amin’ny tsy fandriampahalemana. Mbola hitohy amin’ny faritra maro sy fokontany eto Ambohimangakely izany » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina.

« Tena ilaina tokoa ny tahaka izao, fa tokony jerena manokana ihany koa ny fikojakojana azy satria misy amin’ireo jiro napetraka no efa tsy mandeha intsony na misy ireo mirehitra isan’andro, tsy maty mihitsy ka anisan’ny mahatonga ny fahasimban’ireo jiro. Ankoatra izay, ny fiarovana azy ireny amin’ny mpangalatra » hoy i Dina, mponina ao Ambohimangakely.

Manova ny endriky ny tanàna ny hazavana, no mampisy filaminana ho an’ny mponina ihany koa. Ireo mponina amin’ny faritra tsy mbola nisitraka izany hazavana izany ao an-toerana moa dia mbola miandry ary manantena ny hitondran’ireo tomponandraikitra izany.

Laisser un commentaire