SocialTatitra

France : Mitokona ihany koa ireo mpitondra taxi

Ankoatra ny fitokonana ataon’ireo mpamboly any France amin’izao fotoana, dia nanao fitokonana an-dalambe ihany koa hatramin’ny omaly ireo mpamily fiara karetsaka (taxis). Fikambanana maromaro no nikaon-doha, nanatanteraka ity fitokonana ity omaly. Mitaky ny hamerenana indray ny dinika mahakasika ny fifanarahana napetrak’ireo sindika misahana ny fihantohana marary, eo amin’ny fepetra fandoavan’ireo marary ny sara-pitaterana izy ireo. Manahy ireo mpitondra taxis fa tsy hifanaraka amin’ny sarany ny asa vitan’izy ireo raha toa ka mitatitra marary.

Laisser un commentaire