ActualitésTsidika

Anjeva : Hisy ny lamina vaovao hapetraka momba ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Anjeva sy Ambohijatovo

Ny alatsinainy lasa teo no nihaona tamin’ny ben’ny tanàna lefitra ao amin’ny fiadidiana ny tanàn’Antananarivo renivohitra ny ben’ny tanàna ao Anjeva, nitady vahaolana sy nifandamina mahakasika ny olan’ny zotra izay mampitohy an’Anjeva sy Ambohijatovo. Hisy ny lamina vaovao hapetraka ho fandaminana, vokatr’izany, araka ny voalaza.

« Tapaka nandritra ny fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna lefitra fa ny kaominina Anjeva no manao ny fifanarahana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa tsy ny kaoperativa intsony, ary hisy ny fifanarahana hiarahan’ny CUA sy ny communes suburbaines mampiasa ny toerana eo Ambohijatovo. Ato anatin’ny fikarakarana ireo antotan-taratsary amin’izany ny kaominina ka hiverina amin’ny laoniny araka izay fandaminana apetraky ny CUA eo amin’ny toerana fiantsonana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Olana mila vahana haingana ny olan’ny fitaterana eto Anjeva ary handrasana ny fiatsaran’ny tolotra ao anatin’izany. Mifototra amin’izay ny fifandraisana sy ny fifamezivezana isan-karazany. Hisaorana moa ny fandraisana fepetra malaky izay nataon’ny tomponandraikitra » hoy i Théophile, mponina ao Anjeva.

Anisan’ny mampijaly ireo mponina mpampiasa ny zotra ny fiasan’ireo fiara fitateram-bahoaka ireo ary hita tsy milamina ihany koa na ny toerana misy ny fiantsonana ao Anjeva gara aza. Nilaza moa ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa hisy ihany koa ny fandaminana ho an’ny fiantsonana ao amin’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire