ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nisy ny fifidianana ireo komity hitarika sy hitantana ny foto-drafitr’asa fitsijarana fako ao Talakimaso

Notanterahana tamin’ny herinandro lasa teo ny fifidianana ireo komity hitantana sy hitarika ny foto-drafitr’asa fitsinjarana fako ao amin’ny vohitra Talakimaso; ao anatin’ny servisy raoka fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Fifidianana filoha, filoha lefitra ary mpitantam-bola no natao nandritra izany, araka ny voalaza.

“Nomena fahafahana malalaka, afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana avokoa ireo izay manana zo hirotsaka hifidy sy feno taona ka vonona ny hampandeha sy hanatsara ny asa ao amin’ny raoka-fiha” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Zava-dehibe ny fametrahana ny rafitra mpitantana tahaka izao. hisaorana hatrany ireo tomponandraikitra amin’ny ezaka ho fanatsarana ny servisy sy fampandehanana ny tetikasa ho tombotsoan’ny be sy ny maro” hoy i Francky, mponina ao Ambohimanambola.

Taorian’izany fifidianana izany moa dia nisoro tamin’ny fampiofanana ireo komity mpitantana ny servisy rano fanadiovana fidiovana ny tomponandraikitra.

Laisser un commentaire