ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Jiolahy mpamerin-keloka tratra nangalatra akoho

Jiolahy iray efa mpamerin-keloka no tratra ambodiomby, nangalatra akoho, miisa 11 tao Ambaniatsimo, fokontany Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza, ny herinandro lasa teo. Efa nigadra ny taona 2013 ity farany, noho ny raharaha vaky trano, araka ny voalaza.

“Tamin’ny fotoana nisamboarana ity lehilahy ity dia hita fa mamon-drongony ny tenany. Nisy araka izany ny fisavana ny trano fonenany sy ny manodidina izany. Nandritra io fotoana fisavana io no nahitana rongony maniry namboleny. Nahitana tahona rongony maromaro ihany koa teo amorom-patany” hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria ao Ambohimalaza.

“Olana lehibe mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana ny firongatry ny zava-mahadomelina. Mila drafitra vaovao sy mati-paika avy amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany mihitsy raha te hanafongotra izany satria raha izao no mitohy dia simba foana ny ho avin’ny taranaka” hoy i Norbert, mponina ao Ambohimalaza.

Marihina moa, fa nandritra ny famotorana ity lehilahy ity dia nanambary izy fa ataony hevoka, mialohan’ny andehanana manao ny asa ratsy ny rongony ao aminy. Efa natolotra ny fitsarana moa ny raharaha ary efa voatazona am-ponja vonjimaika ny tenany.

Laisser un commentaire