ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisokatra manomboka ny 06 janoary ny raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga

Nanomboka ny 21 desambra teo no nanala ireo fako eny amin’ireo toerana tsy ara-dalàna, ao amin’ny fokontany Ampahimpanga, kaominina Ambohimanambola, ireo tomponandraikitra misahana ny raoka fako. Araka ny vina napetraka, dia ny 06 janoary 2024 no hisokatra ny servisy raoka fako ao an-toerana.

“Fako eo amin’ny kianja Tanimenabe, eo ambanin’ny fiantsonan’ny fiara Antanetibe fokontany Ampahimanga ary Ambohibato ao amin’ny hadivory no ezaka fanafoanana fako notontosaina tamin’iny herinandro iny. Tsy ho foana tanteraka anefa ny fako amin’ireo toerana ireo na dia efa ho foanana avokoa aza izany raha tsy tafapetraka ireo paikady fifehezana ny fako ho an’ny fokontany Ampahimanga sy Ambohibato » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ny 06 Janoary 2024 no hisokatra ny raoka fako ho an’ny fokontany Ampahimanga ka tokantrano miisa 340 no tsy hanary fako etsy sy eroa intsony. Ho an’ireo tokantrano tsy misitraka ny servisy dia hisy hatrany ny fanentanana ho azy ireny » hoy hatrany ny fanazavana.

Mitohy hatrany ny ezaka fanafoanana ireo fako amin’ny toerana samihafa, ataon’ny servisy raoka fako. Efa hita mihitatra tsikelikely eny amin’ny fokontany hafa ihany koa izany.

Laisser un commentaire