Etats-Unis : Herintaona no tsy nahitana an’i Lina
Zazavavy kely 3 taona i Lina. Tsy hita ny 20 desambra 2021 tao San Antonio, Texas izy rehefa nilalao teo amin’ny toeram-pilalaovana tsy lavitry ny trano fonenany. Nandao azy nandritra ny fotoana vitsivitsy moa ny reniny tamin’io fotoana io, saingy rehefa niverina ity farany dia tsy teo intsony i Lina.
Marihana nefa fa nisy ankizy maro niaraka an’io zazavavy kely io nandritra ny fotoana tsy nahateo ny reniny. Nihevitra ny reniny fa mbola teo amin’ny manodidina i Lina ary nanomboka nitady azy izy saingy tsy nahita azy ka niantso ny manam-pahefana. Herintaona taty aoriana dia mbola tsy hita i Lina ary namerina nanokatra ny fanadihadiana indray fianakaviany ny herinandro lasa teo hikarohana azy. Hanome valisoa 250 000 dollars izay manana vaovao mety ahitana an’i Lina ny ray aman-dreniny.
