Nahazo trano fianarana vaovao ny EPP iray any Antohobe Antanety
Laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ny fanabeazana ny zanaka Malagasy. Efa maro ireo sekoly ambaratonga fototra navaozina sy natsangana teo Madagasikara tao anatin’ny taona maromaro. Nisitraka EPP vaovao ihany koa ny Kaominina Antohobe Antanety. Efitra roa no hita ao amin’izany izay avy amin’ny fitondram-panjakana. Isan’ny nampijaly tokoa ny EPP teto taloha, indrindra rehefa fahavaratra, satria bozaka no tafony, hoy ny mponina tany an-toerana.
Ankehitriny dia nosoloina vaovao ny sekoly ary ezahina tsy hampijaly ny mpianatra intsony, indrindra rehefa fahavaratra. Tsy izay ihany anefa fa nahazo aron’akanjo vaovao ihany koa ny mpianatra. « Miainga avy amin’ny ambaratonga fototra ny fahaizana ary nandalo izany dingana izan daholo ny rehetra, ka tokony omen-danja hatrany » hoy ny mpampianatra iray.
Nicole Rafalimananjara
