Hiverina hiakatra ambony kianja i Marco Ilaimaharitra
Hafaliana lehibe ho an’ireo ekipa Barea ny fiverenan’i Marco Ilaimaharitra indray eny ambony kianja manoloana ny fikatsahana ny mari-pankasitrahana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022. Hiverina an-kianja indray noho izany izy taorian’ny dona mafy nahazo azy nandritra ny fanazaran-tena natao ny asabotsy 10 aogositra lasa teo.
Marihina fa nibata ny fandresena ny vondrona notantaniny (FC Charleroi) raha nifanandrina tamin’ny KAA Gent ka resin’izy ireo tamin’ny salan’isa telo no mihoatra ny mpifanandrina aminy.
Tsy nahavita iray volana sy tapany tamin’ny fifaninana i Marco Ilaimaharitra taorian’ny ratra nahazo azy. Tsy naharaka intsony ny fanombohana ny fiadian’ny Barea ho tompon-daka maneran-tany ny taona 2022 noho izany izy, na dia natsoin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana aza. Antenaina kosa anefa ny fiverenany amin’ny volana oktobra ho avy izao noho ny famerenana ny lalao manasa-dalana amin’ny fifanandrinana indroa amin’ny République Démocratique du Congo.
« Mino tanteraka aho fa handresy foana amin’izay ny ekipa Barea satria efa niverina i Marco » hoy i Tojo, mpankafy ny ekipa Barea. Hoy kosa anefa i Rija hoe « mety tsy ahavita hampiditra baolina intsony izy noho ny dona mafy nahazo azy ka tsy hantenaina intsony ». Nilaza ny mpanazatra Zebras, Edward talohan’ny lalao fa « 100% i Marco ary nanana fiofanana folo andro tena tsara ». Kanefa, « tsy afaka ny hatoky sy hanantena azy indray ny ekipa Malagasy noho ny ratra izay nahazo azy » hoy indray ny mpanazatra Edward Still.
Miatrika ny lalao ny ekipa Barea fa saingy tsy afaka ny hisitraka ny fanampian’i Marco akory, izay anisan’ny mpamono baolina. Antenaina ihany koa anefa fa misy olona manana talenta amin’ny famonoam-baolina ohatran’i Marco ihany koa ao amin’ny ekipa baolina kitra Malagasy. Raha izay ary dia azo heverina ve ny fandresan’ny ekipa Barea manolona izao tranga misy izao ?
Miangaly Rasoamohajamanana
