ActualitésTsidika

Zazavavy Malagasy nentina tany Comores ary nanaovana fihetsika feno habibiana tanteraka

Zazavavy vao 14 taona monja no niharan’ny fitaka sy nanaparana ny habibiana tanteraka raha nampanantenaina ho ampianarina any Comores. Voafitak’ilay lehilahy nilaza fa hiantoka an’ity zazavavy ity izy ireo ary hampianatra azy any Comores kanjo nanaparany ny herisetra mahatsiravina tany ilay zaza.

« Mbola afaka nianatra teny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Mahajanga, kilasy fahavalo izy na teo aza ny fahasahirananay tamin’ny taona 2014 » hoy ny fianakaviany. Raha ny fanazavana voaray avy any amin’ny Polisy tany an-toerana dia lehilahy miaramila frantsay efa misotro ronono no naka azy tao an-tokatranony ary nampanantena ny hampianatra azy any Comores sy hanao izay hahatafita azy. Nambarany tamin’izany ihany koa fa rehefa vita ny fianarany dia ho alainy ho vadin’ny zanany lahy ity zazavavy ity any aoriana any. Nampalahelo anefa ny zava-nisy satria vao tonga tany Comores izy ireo dia nanomboka ny herisetra ka nopotehin’ilay tsy mataho-tody tanteraka ny momba ilay zazavavy tsy ampy taona.

Niterahany ary tao anatin’ny 3 taona monja dia efa telo sahady ny zaza naterany. Nitoka-monina sy niafina tao Gnuma Milima Ya Mboinkou izy ireo nandritra izany ary mody mivoaka matetika any Moroni-Paris ilay vazaha toy ny hoe tsy manao na inona na inona raha gadrainy tsy avela mivoaka sy ampiandrasana olona mihitsy ilay zazavavy kely. Efa betsaka ny nahatsikaritra izao herisetra izao indrindra fa ilay mpitsabo nampiteraka azy ka efa mahana ilay rangahy taorian’izay ka mody nanao tetika nanendrikendrehana ilay zazavavy. « Nolazainy ho nangalatra entana tao aminy aho ary noroahany taorian’izay, tsy hitako izay naleha ka nanantona ny lehiben’ny fokontany any an-toerana aho nilaza izay rehetra momba ahy kanefa nolavin’ilay vazaha ny herisetra nataony » hoy ilay zazavavy.

Betsaka ny nanampy ity vehivavy ity taorian’izay. « Tsy ekena ary enjehin’ny lalàna ny hersietra tahaka izao, tsy tokony ho afa-maina ny meloka izay nampitondra takaitra sy nanimba ny hoaviny rehetra » hoy ilay vehivavy nanampy azy tamin’ny fametrahana fitarainana teo amin’ny Polsiy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ity raharaha ity amin’izao fotoana izao, notanana any am-ponja ilay olon-dratsy. Ny fikambanana Malezi kosa no mandray an-tanana ilay zazavavy sy ny zanany 3.Marihana fa tsy voalohany no nitrangana herisetra atao amina zaza tsy ampy taona toy izao tao Comores.

Na izany aza anefa, tompon’andraikitra amin’ny zanany ny ray aman-dreny rehetra ka tsy tokony hanankina betsaka ny hoavin’ny zanany any amin’ny olon-kafa. Diso ilay mpanao herisetra saingy hita taratra ihany koa ny hadisoan’ny ray aman-dreniny izay namela ity zanany ho entin’olo-tsy fantatra mazava ho any an-tany lavitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire