Tsy mifidy saranga ny Covid-19.
Tsy manana saina afaka hisafidy izay tiany hitoerany ny coronavirus. Mety ho voan’io aretina io avokoa araka izany na olon-tsotra na ny manam-pahefana na ny olona ambony na ny mpanakarena na ny mahantra na ny vavy na ny lahy. Nambara ny zoma 12 Martsa tamin’ny fomba ofisialy manko fa tratran’ny Covid-19 i Rayan Raveloson. Izy izay isan’ireo mpilalao baolina kitra fantatry ny Malagasy ao anatin’ny Barea, ekipam-pirenena Malagasy. Fa raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa dia mpilalao ao amin’ny ESTAC Troyes izy, ity farany izay hanao lalao hihaonana amin’ny AS Nancy Lorraine amin’ny herinandro ho avy io. Tsy afaka handray anjara amin’izany izy araka izany satria mihiboka ao an-tranony mandritra ny fotoana 7 ka hatramin’ny 10 andro fa tsy fantatra izay fiovana. Mbola baraingo lehibe kosa ny mety hahatongavan’i Rayan hiatrika ny lalaon’ny Barea izay hihaona amin’i Ethiopie any Addis Abeba ny 24 martsa ho avy izao ary any Toamasina ny 30 martsa. Tsy maintsy « PCR négatif » ny olona iray manko vao afaka mandray fiaramanidina iraisam-pirenena araka ny fepetra napetraka. Noho izany aoka hitandrina hatrany fa na ny mpanao fanatanjahan-tena fata-daza aza tratrany, tsy mifidy vatana ny aretina fa mety ho tratrany avokoa na iza na iza. Hajao ny fepetra ara-pahasalamana ary mbola manamafy izany foana ny Fanjakana indrindra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba tsy hiparitahan’ny aretina eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
