Côte d’Ivoire : Nivoaka amin’ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana solombavambahoaka.
Ny Alarobia 10 martsa no namoahana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka izay natao tamin’ny asabotsy lasa teo tany Côte d’Ivoire. Ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra no nitarika ny isa betsaka indrindra tamin’ny Alatsinainy lasa teo kanefa ny avy amin’ny antoko RHDP izay miara-dia amin’ny fitondrana no nahazo ny vato betsaka indrindra raha ny isa farany. Tsy nampoizin’ny olona araka izany ity voka-pifidianana navoakan’ny vaomera mahaleo tena misahana ny fifidianana any ity. Solombambahoaka 91 no voalaza fa nirotsaka avy amin’ny mpanohitra izay tokony samy hahazo ny vato betsaka indrindra raha ny isa farany no jerena. Marihina fa nisy kandidà iray namoy ny ainy nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy nisy ny olana tany an-toerana noho izao valim-pifidianana izao fa tony sy milamina tsara aloha hatreto any an-toerana.
