ActualitésTatitra

Seychelles : Hampiranty ny vokatra an-dranomasiny tsara indrindra ny nosy

Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 27 aprily izao ao Barcelone, Espagne ny « Seafood global expo » andiany manaraka. Fampirantiana eo amin’ny tontolon’ny jono sy ny hazan-dramomasina io hetsika io izay handraisana firenena 70 anjara ary tsidihana mpanjifa avy amin’ny vazan-tany efatra izay hifidy ny trano eva tsara indrindra.

Efa vonona handray anjara amin’ny hetsika sahady ny nosy Seychelles. Nilaza izy ireo fa hanome nyhezaka rehetra izy ireo ary hampiranty ny vokatra tsara indrindra ao aminy toy ny mérous, capitaines, marlins ary indrindra ny thons. Marihana fa ireo vokatra ireo dia isany harena laharana voaloahn’ny nosy.

Anisany handray anjara amin’io hetsika io ihany koa i La Réunion izay efa nandray anjara ny taona lasa teo tamin’ny alalan’ny orinasa Réunipêche niaraka ny vokatra nampiavaka azy dia ny espadon.

Laisser un commentaire