ActualitésTsidika

Toe-karena: Homena laka indray ny vokatra tsara indrindra eto Madagasikara amin’ny volana jona

Manan-karena I Madagasikara, izany no azo hamehezana azy. Araka izany dia homena lanja indray ireo vokatra mampalaza an’ny Madagasikara amin’io volana ambony io. Hanokanana herinandro be izao ireo vokatra tsara an’ny Madagasikara hahafahana mampiroborobo izany. Ireo vokatra mampalaza an’ny Madagasikara maneran-tany no ho hita mandritra izany hetsika izany.

“Ny tanjon’ny hetsika moa dia ny hampahafantatra indray ary indrindra hampalaza ireo vokatry ny fambolena maro be eto Madagasikara. Hotsindriana manokana amin’izany ny Cacao. Tanjona iray hafa ihany koa ny hampiroborobo Firenena ho tany hahafahana mampiasa vola ho an’ireo izay liana amin’izany”, hoy ny Tompon’andraikitra mikarakara ny hetsika.

Handray anjara amin’ny fantrarana ilay tanjona mahakasika ny fizakan-tena ara-tsakafo ity hetsika ity. Ao ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria sy ny manodidina ny tonotolo iainana. Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny mahakasika ny fizahantany fa samy hahazo ny anjarany avokoa. Handray anjara amin’izany ny fikambanan’ny tantsaha mpamboly ireny vokatra mampiavaka ny Malagasy ireny.

“Ho maro ireo ho hita mandritra io herinandro io izay fotoana tena tsy havela handalo fotsiny. Hizara telo ny fotoana, ny “panel cacao tsara » izay hotanterahina etsy amin’ny Radisson Blu ny 13 ka hatramin’ny 14 jona, ny foara biolojika ny 15 hatramin’ny 18 jona ho avy izao eny amin’ny CCI Ivazto izay efa amin’ny andiany faharoa, ary farany ny forum B2B-Agribusiness izay hatao ny 13 ka hatramin’ny 14 jona ho avy izao eny amin’ny Carlton Anosy”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy maintsy miainga amin’ny fototra ny fampandrosoana, tokony ho voadinika mandritra io herinandro io ny tombontson’ny mpamboly isan-karazany sy ny fisitrahany izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire