Tsidika

Kianja Barea: Ho atsangana ny orinasam-panjakana hitantana azy

Araka ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 05 Jolay 2023, dia hanangana orinasam-panjakana hitantana ny Kianja Barea ny fanjakana Malagasy. Araka ny fanazavana dia ny hiantohana ny fikojakojana ity kianja ity amin’ny fomba manara-penitra, ka mba hampaharitra azy no antony nankatoavan’ny Filan-kevitry  ny Minisitra ity fananganana ity.

Ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola miaraka amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toearam-ponenana eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika no miahy ity orinasa vao ho atsangana ity.

“Hitoetra ho fananana  ho lovain’ny taranaka ary koa vako-pirenena ny Kianja Barea ka izany indrindra no ilana fitantanana manara-drafitra azy. Ny orinasam-panjakana izay hatsangana dia hisahana ny fitantanana ny kianja ary indrindra koa hiandraikitra ny fitehirizana sy ny fikojakojana azy.” Hoy ny tompon’andraikitra

Araka izany dia ny fanjakana foibe mihitsy no handray an-tanana ny amin’ny fananganana ity orinasa ity .Manaporofo ihany koa izany fa andraikitry ny fanjakana ny miahy ny fananana iombonana tahaka itony.

“Toy ny fananana iombonana rehetra eto Madagasikara, raha vao tsy misy ny fandraisana andraikitra avy any ambony dia vetivety foana dia simba sy tsy mandeha araka izay nanaovana azy izy ireny. Tsy hitako izay maharatsy izao fanapahan-kevitra izao fa kosa aoka mba tsy hifono tombotsoan’olom-bitsy sy hanaovana tompon-trano mihono ny Malagasy ny fisian’izany orinasa ho atsangana izany.” Hoy i Andry mpakafy fantanjahan-tena.

Andrasan’ny mpanara-baovao araka izany ny mahakasika ity orinasa vaovao hitsangana ity.Mahaliana ny maro ihany koa ny mikasika izay mety ho fomba fiasa vaovao sy hiova aorian’ny fitsanganan’ilay orinasam-panjakana hitantana ny Kianja Barea.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire