ActualitésTsidika

lozam-pifamoivoizana: Mateti-pitanga ny loza eo amin’ny taxi bisiklta

Maro ny loza nitranga mahakasika ny taksi-bisikileta tato ho ato. Taksi-bisikileta iray voafaokan’ny fiarabe ny mpitandro filaminana omaly maraina teny Anosibe. Naratra vokatry izany ilay mpandeha taksi-bisikileta; efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.

“Manao antso avo amin’ny manam-pahefana mahakasika ity fitateran’olona Taksi-bisikileta ity. Be loatra ireo loza haterany tato ho ato. Vao tsy ela akory izay no nisy lozam-pifamoivoizana izay nahafatesana olona. Mba tsy hisian’ny loza etsy sy eroa, aleo foanana.” Hoy i Tiana, renim-pianakaviana.

“Tokony mamorina lalàna sy fahazoan-dalana ny manao anireny fitateram-bahoaka ireny. Tsy izay manana bisikileta akory dia hitondra olona etsy sy eroa. Mangataka ny tompon’andraikitra andray ny andraikitra manoloana ny tranga toy izao. Na ny moto izany na ny bisikileta samy mahabe ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra. Aleo fohanana mba tsy hahabe ny loza mety hitranga.” Hoy Hery, mpamily.

Zava-dehibe ny fanarahana sy fampiarana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. eto Madagasikara anefa dia hita taratra ny tsy mbola fifehezana izany. Mila mitandrina ny rehetra rehefa eny amin’ny arabe eny. Ny tampoka tsy maha lehilahy.

Laisser un commentaire