France :Estelle Mendy, 30 taona, reny manan-janaka 2, voan’ny Vitiligo: kandidà ho an’ny Miss Normandy 2023 izy!
30 taona ary renin’ny zazavavy kely roa, 3 sy 8 taona i Estelle Mendy ary kandidà amin’ny fifidianana ny Miss Normandy 2023 ny asabotsy 28 oktobra izao any Cean.
Misy Vitiligo aretina autoimmune ilay tovovavy. Mipoitra eo amin’ny hoditra ny tasy fotsy rehefa tsy miasa ny hery fiarovana.
“Hanova ny fiainako mandrakizay ity zava-mitranga ity, na inona na inona ho vokany farany. Mirehareha amin’ny maha-reny ahy aho ary minoa ahy, na inona na inona eritreretin’ny olona, dia tsy sakana velively amin’ny fanatanterahana ny tetikasako ny zanako. Ny mifanohitra amin’izany aza. Tsy mbola nahatratra ny nofinofiko mihoatra noho ny hatramin’ny niterahako aho. » naneho hevitra tao amin’ny tambajotra sosialy.
Manonofy ny ho lasa Miss France manaraka ity renim-pianakaviana ity ary afaka misolo tena an’i Frantsa.
