Sakafo : Ahoana ny fanamboarana koba ?
Sakafo matsiro sy tena miavaka ny koba. Fata-daza amin’ny fanamborana izany i Talata Volonondry sy i Faravohitra. Hany ka vao maheno ireo tanana ireo dia ny « koba » no tonga ao an-tsaina voalohany. Eto dia andeha isika hanamboatra koba mirefy 25 sm amin’ny fomba tsotra nefa tsara.
Ireto avy ny singa ilaina amin’izany : voanjo 10 kilao, kobam-bary 5 kilao, siramamy 5 kilao, ravin’akondro atao fonony ary vilany be iray. Tsotra tokoa ny fikarakarana azy. Endasina ny voanjo ary totoina miaraka amin’ny siramamy avy eo. Etsy an-kilany, afangaro ny kobam-bary miaraka amin’ny ambin’ny siramamy. Tsy mijanona raha tsy mahazo paty matavy sy matevina nefa tsy miraikitra. Izany hoe mila rano araka izay hivoahan’ny endriny. Dorana kely indray ireo ravina akondro. Velarina amin’izay ny ravina, atao eo amboniny ilay koba ary ny voanjo avy eo. Ahorina ho boribory izy rehetra, miaraka amin’ny raviny. Afatotra araka izay mampihety azy amin’ny ranin’akondro voadoro ihany. Atao anaty vilany be ka rarahina rano ho difotra tanteraka. Masahana amin’ny afo malefaka mandritra ny 24 ora. Kendrena mba hisy rano foana mandritra ny fandrahoana azy. Vita ny koba avy eo.
Sakafo mafilotra tokoa ny koba ary be mpitia, indrindra ireo vahiny mpizaha tany.
Nicole Rafalimananjara
