Belgique : Hanomboka hiala amin’ny fihibohana
Nanambara ny praiminisitra ao Belgique ny alarobia 14 aprily lasa fa hanomboka hiala amin’ny fihobohana tsikelikely izy ireo. “Tsy azo hodian-tsy hita hoy ity praiminisitra ity ny zava-misy, nefa ihany koa eo ireo mangataka ny hanokafana amin’izay ireo toerana mampidi-bola rehetra. Tsiahivina fa tamin’ny volana janoary no nisy ny fametrahana izany fihibohana vaovao izany tamin’ity taona 2021 ity, raha toa ka efa nisy ihany koa ny fihibohana tamin’ny taon-dasa. Nandritra izany ihany koa no nanambarany ireo fepetra vaovao izay hatao mandritra izany fialana izany. Mbola tsy mandrisika ny olona hanao dia alavitra anefa ny fanapahan-kevitra raha toa ka dia tsy mbola maika no alehan’ny mponina, ohatra amin’izany ny fialan-tsasatra. Hanomboka hisokatra ny 19 aprily izao kosa ny sekoly any an-toerana, ary ny fiandohan’ny volana may no hanomboka hisokatra ireo varotra tsy laharam-pahamehana, hanomboka hisokatra ny faha8 volana May izao kosa ireo toerana fisotroana sy fisakafoanana ary fialana voly.
