SocialTatitra

Ukraine : Mbola tsy milamina ny toe-draharaha

Mangataka ny hampihenana ny tafiky ny Rosianina ao Ukraine i Joe Biden, filoham-pirenena Amerikanina sy ny Chancelière ao Allemagne Angela Merkel. Niombon-kevitra izy ireo nandritran’ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ny alarobia 14 aprily lasa teo. Nandritran’ny resaka nifanaovan’izy ireo no nihombonany hevitra fa tokony hampihena ny isan’ny miaramila rosianina any amin’ny sisintany manasaraka azy ireo ny firenena Rosia. Miaramila vonona hiditra an-tsehatra avy hatrany raha toa ka misy ny fanafihana ataon’ny Ukraine ny faritra hamaharan’ny mpitaky fizakan-tena any Ukraine ihany no tokony ho eo hoy izy ireo. Mihamafy moa ny fifandonana eo amin’ny tafim-panjakana sy mpitaky fizakantena any amin’ny faritra andrefan’ity firenena ity.

Laisser un commentaire