ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ny Statue de la Liberté, isan’ireo toerana malaza indrindra eran-tany

Anisan’ny marika hamantarana an’i Etats-Unis ny Statue de la Liberté. Tsangam-bato tena goavana izy io izay hita ao New-York eo amin’ny Liberty Island ao atsimon’i Manhattan.

Mpahay lalàna tao France antsoina hoe Édouard de Laboulaye no nanan-kevitra hanangana io tsangambato io tamin’ny taona 1865 mba nampaherezina ny vadin’ny vadin’i Abraham Lincoln nandritra ny « Le Phare de ma Loire ». Tao France noho izany no nanorenana sy nanambarana ny « Statue de la Liberté ». Nomen’i France an’i Etats-Unis izany ho mariky ny fifamanan’izy ireo.

Ny 28 oktobra 1886 kosa vao naseho ampahibemaso izany. Fanehoana izay notanterahina nandritra ny fankalazana ny fahazato taona nanambarana ny fahaleovan-tenan’i Etats-Unis, natrehan’ny filoha Grover Clevenland.

Laisser un commentaire