La Réunion : Mitombo hatrany ireo mararin’ny Dengue
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo mararin’ny Dengue any La Réunion. Tanatin’ny herinandro izay dia nahatratra 1000 ny tranga hita nanomboka ny 29 Martsa ka hatramin’ny 4 Avrily. Ny faritra antsinanana no tena ahitana ny foiben’ny aretina toy i Saint- Joseph sy Saint-Denis. Manantona ny hôpitaly avy hatrany ireo ahitana ny mari-pamantarana toy ny aretina an-doha, areti-kibo, mandoa, vizaka. Mandripaka ny mponina any tokoa ity aretina na dia mbola eo aza ny aretina COVID-19 izay nahatratra 917 indray ny tranga hita ny herinandro lasa teo.
