ActualitésTsidika

Fasahalamana : Nandray an-tanana ny fitsaboana an’i Dany ny tao Ankadikely Ilafy

Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay lehilahy antsoina hoe « Dany ». Ny mpitsabo tao amin’ny CSBII Ankadikely sy ny sampandraharaha misahana ny sosialy ao amin’ny Koaminina Ankadikely Ilafy no nandray an-tanana azy.

« Efa salama sy nahazo hery izy i Dany.  Novatsiana saran-dalana mihitsy aza izy mba ahafahany mamonjy fodiana » hoy ny avy ao amin’ny CSBII Ankadikely. « Isaorana ireo mpitsabo ao amin’ny CSB II Ankadikely, ny ekipa avy ao amin’ny kaominina, ny mpitandro ny filaminana sy izay rehetra tamin’ny fandraisana andraikitra tandrify antsika tsirairay avy. Vonjy aina tokoa no nataonareo ho an’ny mpiray tanindrazana » hoy i Sabrinah, mponina ao Ankadikely Ilafy. Efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fianakaviany i Dany.

Fihetsika mendrika sy azo atao fankan-tahaka tokoa ny toy izao. Handroso ny firenena raha samy hifampikarakara sy hifanome tanana tahaka izao isika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire