ActualitésTatitra

Australie : Hanakatona ny masiovohony any Afghanistan

Hakaton’i Australie ny masoivohony any Afghanistan ny zoma 28 may ho avy izao, hoy ny Praiminisitra Scott Morrison androany talata 25 may, noho ny ahiahy amin’ny filaminana any Kaboul. Niala tany an-toerana mantsy ny tafika avy any Etats-unis. Ary nanamafy ihany koa ary ity farany fa tsy haharitra ela akory izany fanakatonana izany, ka mety hisy ihany ny fandehanana any Kaboul rehefa milamina ny toe-draharaha. Miaramila marobe no niala tany Afghanistan. Ny 1 may mantsy no niala tany Afghanistan ny OTAN sy ny miaramila avy any Etats-Unis, kanefa niteraka fifanolanana teo amin’ny Taliban sy ny miaramila ao Afghanistan izany, hany ka manjaka ny korotana any an-toerana izay nahafatesana olona maro.

Laisser un commentaire