Ambohimanambola: Mitohy ny fandraisana mpianatra eny amin’ny Lycée
Mitohy ny alatsinainy 21 aogositra ny fanoratana anarana sy fandraisana ireo tsy mbola nahavita ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao eny amin’ny Lycée Ambohimanambola. Mbola maro ireo tsy nahatratra sy tsy nahavita izany tamin’ny fe-potoana nanatanterahana izany ka izao nomena andro fanampiny izao, araka ny voalaza.
“Ireo izay nikasa ny hanoratra anarana, izany hoe tsy nahatratra ny herinandro lasa teo ny inscription sy ny réinscription no ilazana sy hantsoina hanatanteraka izany amin’ny alatsinainy 21 aogositra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny lycée.
“Hafa ihany ny mianatra amin’ny sekolim-panjakana, izay no mahatonga ny safidy fa eny amin’ny lycée no hianatra. Hisaorana ny tomponandraikitra manome fahafahana hisoratra anarana eny hatrany satria maro ireo te hanohy fianarana eny” hoy i Nomena, mpianatra.
Anisan’ny mbola maro mpisafidy ny lycée am-panjakana raha hanohizana ny fianarana aorian’ny fahazoana ny diplaoma BEPC na ho an’ireo mamerina maka ny fanadinana bakalorea. Ny Lycée Ambohimanambola ihany koa dia manome fahafahana hatrany sy halalana malalaka ho an’ireo misafidy ny hianatra ao an-toerana.
Manitra R.
