ActualitésTsidika

Fampianarana: Hisy ny fanarenana ireo sekoly ravan’ny rivo-doza

Hapetraka ny tompon’andraikitra manokana hisahana ny fananganana indray ireo seKoLy ravan’ny rivo-doza Batsirai. Tsy vitsy mantsy ireo sekoly rava tafo sy nirodana ary nahitam-pahasimbana nandritra ireny andro ratsy ireny. « Tanjona ny hamerina indray ireo mpianatra an-tsekoly ao anatin’ny toerana mendrika izany » hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Rajoelina Andry. Etsy an-kilany, efa misy ny olona misahana manokana amin’ny fanaraha-maso sy mijery ireo ilaina mandritra ny fanarenana. « Ny fametrahana ny tafo aloha ny tena laharam-pahamehana voalohany amin’ny asa. Miisa 4820 ireo tafo amin’izany. Tafo mahery ny 2000 kosa no ilaina amin’ny dingana faharoa” hoy ireo teknisianina. Hisitraka fanampiana Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno ihany koa ireo mpampianatra tsy miankina eny amin’ireo Distrika tena lasibatry ny rivo-doza.

Laisser un commentaire