SocialTsidika

Mila fongarina ny dahalo any Atsimo.

Ny faritra Atsimo no isan’ireo faritra mena raha amin’ny resaka asan-dahalo. Any araka izany no tokony ahitana ireo mpitandro filaminana betsaka sy tsara hofana indrindra amin’ny resaka fandriam-pahalemana. Noho ny tsy fahampian’izay manko no tena mampahazo vahana ireo dahalo. Miezaka hahavita ny asa nampandraiketina azy anefa ireo miaramila voatendry any an-toerana. Dahalo iray raindahiny no lavon’ny balan’ny miaramila avy ao amin’ny 1BIA Ihosy tao Jangany distrikan’ny Betroka. Nifanena tamin’izy ireo nandritra ny fisafoana fanao isaky ny alina  ity daholo ity ka nanohitra ireto miaramila ireto. Inona no tena paik’ady maharitra andringanana ny asan-dahalo ? Mijaly ny mponina ka tsy afaka miaina am-pilaminana. Ny dahalo sy ny olon-dratsy izay malagasy ihany no tena mampahantra ny firenena satria tsy mba mihary izy ireny fa ny fiharian’olona indray no alainy. Hany ka tsy mba mitombo mihitsy ny arin-karena malagasy. Iza no tena tokony hanafoana azy ireny ? Mila manangana paik’ady tsara ny mpitandro filaminana izya miara-miasa amin’ny vahoaka manoloan izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire