ActualitésTsidika

Basket: Ekipan’ny USA avy hatrany no hifanandrina amin’ny Ankoay U19 mandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany

Any Hongrie, ao Debrecen no hanatanterahana ny lalao hiadiana izay ho tompon-daka era-tany amin’ny lalao Basket latsaky ny 19 taona. Ny ekipan’ny USA avy hatrany izay tompon-daka farany teo no hifanandrina amin’ny Ankoay mandritra ny lalao voalohany ny 24 jona 2023 izao.

“Mavesatra ny ady, tena vao jerena fotsiny dia efa fantatra fa mavesatra. Samy mahalala izany avokoa ny mpilalao rehetra saingy tsy hatao sakana izany satria tsy misy resy tsy miady ary ireo mpilalao antsika ireo efa manana ny saina mahay miady mafy ho an’ny tanindrazana hatrany. Na dia vao lalao voalohany ho amin’ny fiadiana izay ho tompon-daka aza ity lalao ity dia hita fa mahavita ireto Ankoay ireto”, hoy ny solontenan’ny mpanazatra ny Ankoay.

“Izay tsara fiomanana tsy tampohan’ny loza. Izy foana no tokony hatao filamatra satria ny fiomanana foana no miantoka ny fahatomombanan’ny lalao rehetra; Ilaina ihany koa ny fahaizana miara-milalao fa tsy tokony hihevitra ny tenany ho lalao an’olon-tokana io”, hoy ireo mpankafy Basket Malagasy sady mpanohana ny Ankoay.

Marihina fa efa nisy ny fampivondronana ireto ekipa Malagasy ireto ny volana desambra teo ary mbola hisy ihany koa izany fa tsy hionona amin’izay ihany. Aorian’ny lalao izay hatao miaraka amin’ny USA dia I Liban indray no hifanandrinana ny 25 jona raha hifarana amin’ny Slovénie izany ny 27 jona. Alefa Ankoay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire