ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Raim-pianakaviana namoy ny ainy vokatry ny fanafihan-jiolahy

Ny marainan’ny talata, tokony ho tamin’ny 06ora sy sasany maraina, no nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Soamanandrariny, kaominina Ambohimangakely. Olona iray hamonjy ny toerana fanaovany « cash point » no lasibatra nandritra izany, raha ny voalaza.

« Rehefa hivoaka ny elakelatrano tafavoaka ny lalana izy, dia nisy olona roa lahy efa niandry ny hivoahany handray fiara, ary avy hatrany dia nanao sito-mahery ilay sakaosy misy vola, rehefa niezaka nanohitra ilay niharana dia tafatsaoka izy ary notofirin’ireo jiolahy avy hatrany ka lasany ny sakaosy iray » hoy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina.

« Vokan’izany dia very lasan’ireo jiolahy ny kitapo misy vola 21.000.000 ariary eo ho eo ary voatifitra teo amin’ny kibony havanana ilay raim-mpianakaviana ary tsy tana intsony ny ainy rehefa noentina teny amin’ny hopitaly teo Soamanandrariny » hoy hatrany ny fanazavana.

Mbola hita teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza moa ny taim-bala miisa telo, ny diam-bala tamin’ny fiara izay nijanonana teny amin’ny sisin-dalana ary ny ra latsaka teo amin’ny nitrangan’ny loza.

Manitra R.

Laisser un commentaire