PolitiqueTsidika

Sarotra ny fanapariaham-pahefana eto Madagasikara

Mbola ho sarotra ho an’i Madagasikara ny hiditra amin’ny fanapariaham-pahefana raha ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.

Efa nolanian’ny Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenan ny lalana 2021-911 izay mitondra ny taratasy momba ny politikan’ny fanapariaham-pahefana kanefa mbola olana lehibe eto Madagasikara ny fanatanterahana izany fitsinjaram-pahefana izany. Ny tena fototry ny olana dia ny tsy fandraisan’ireo manam-pahefana eny ifotony ny andraikitra mifanandrify an’azy ireo amin’ny andraikitra izay sahaniny. Eo koa ny tsy fandraisan’ny mponina ny anjara tandrifin’izy ireo amin’ny fitsinjaram-pahefana izany hoe mbola tsy misy firotsahan’ny vahoaka an-tsehatra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pirenena eny na dia ny raharaha eo amin’ny fokotaniny monja aza.

Nilaza moa i Narcisse Andrianaly izay filoha lefitry ny komisiona mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI fa ilaina ny fanovana ny toe-tsain’ny mponina mba hahatratrarana ny fampandrosoana eny ifotony satria zatra miandry ny tompon’andraikitra foibe ny vahoaka eny fa na dia ny zavatra kely indrindra eo amin’ny tanana misy azy ireo. Misy kosa ireo mpanao politika sasany maneho ny heviny fa tsy ilaina akory ny andrasoandraso izany hoe tokony raisina ny fanampahan-kevitra matotra amin’ity fitsinjarana fahefana ity ka ho samy hahazo ny tandrifiny avokoa ny vahoaka tsirairay manerana ny nosy ary hametrahana lalàna mafy orina mihitsy aza.

Tsy tokony hiandry ny manam-pahefana ambony mihitsy ireo izay eny anivon’ny fokotany amin’ny resaka fanamboarana efitrano na làlan-kely eny amin’izy ireo raha atao bango tokana ny voaloaza ary ilaina ny fandraisan’ny mponina anjara mivantana. Ho vitan’ny fitondram-panjakana tokoa ve ny fanaovana ny fitsinjaram-panjakana manerana ny nosy sa mijanona fampanantenana fotsiny ?

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire