SocialTsidika

Hiverina amin’ny laoniny amin’izay ve izany ny vidin’ny arina fandrehitra ?

Tafiditra ao anatin’ ny mpikambana ao anatin’ny Governemanta vaovao i Hortenciah Haingosoa ka nazahoan’ny toerana « Ministra lefitra misahana ny tontolo iainan ».

Mpandrindra nasionalin’ny Antoko Maitso i Hortenciah Haingosoa. Raha tsiahivina, nanao fanambarana hentitra ho an’ity Ministera izay iasany ankehitriny ity izy fa miala bala ny ministra ary tokony hiala raha tsy mahavaha olana. Ny resaka arina fandrehitra izay nahitana fiakarana zato isan-jato no tena ivon’ny valan-dresaka nataony tamin’izany. Raha ny hita, mitazona ny toerany ihany i Vahinala Baomihavotse, Ministry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra izay notsikerainy mafy.

« Manantena mafy ny fidinan’ny vidina saribao izany raha ny vava nataon’ity ramatoa ity » hoy i Nary, raim-pianakaviana mipetraka amin’ny « bas quartier ». « Teknisianina izy, fa tsy ny politikany no atao eo fa ny velirano » hoy kosa i José, mpiray vodirindrina amin’i Nary. « Nitady toerana i Hortenciah ka voatendry. Nitondra tsikera ny fomba fiasa nentin’ireo isan’antokony teo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana izy ka izao tonga tompon’ny familiana tampoka izao. Miandry ny vahaolana hoentiny izany. Tena arakin’ny vava navoakany ve ny asa ho ataony ? » hoy i Benja mpisehatra eo anivon’ny fiarovana ny Tontolo iainana.

Mila olona hanatsara sy hitondra lavitra azy i Madagasikara. Mbola anaty « instabilité sociale » anefa isika amin’izao toe-draharaha izao. « Tsy maintsy tratra ny tanjona efa napetrakin’ny Filoha amin’ity roa taona sy tapany ity » hoy Hortenciah Haingosoa.

Mahazo manantena fidinan’ny arina fandrehitra ve izany ny vahoaka? Hihena amin’izay ve izany ny doro tanety ? Andrandraina izany ny hiverenan’i Madagasikara ho Nosy maitso atsy ho atsy.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire