ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Vita tsara ny lalana

Tontosa soa aman-tsara ny fanamboaran-dalana tao Talata Volonondry. Eo Morarano Idilana ity lalana vita ity.

« Vita tsara ny lalana eto Morarano Idilana ato anatin’ny kaominina Talata Volonondry. Mponina maro no hisitraka tombontsoa amin’ny fahavitan’ity lalana ity » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Mankasitraka hatrany ny kaominina miezaka foana mitady vahaolana ho anay. Ity lalana ity dia isan’ny nampijaly tokoa tamin’ny fahavaratra. Niteraka sakana lehibe amin’ny fitaterana vokatra izany » hoy i Lanto, mponina ao Talata Volonondry.

Mitohy hatrany ireo ezaka fanamboaran-dalana iarahana amin’ireo mpiara-miasa amin’ny kaominina, toy ny Fikambanana Mazava sy ny maro hafa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire