ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Namoy ny ainy ilay mpitondra kodiaran-droa latsaka tao anaty rano

Lehilahy iray no hitan’ny mpandalo vao maraina tao Anosy Avaratra tamin’ny asabotsy. Olona sendra nitopy maso no nahita azy sy ny moto nentiny tao anaty rano.

« Rehefa nojerena dia tsy nisy aina intsony ilay lehilahy. Tsy nisy nahita rahateo ny nilatsahan’ity tovolahy ity tao anaty rano manamorona ny rarivato mihazo an’Anosy Avaratra » hoy ilay olona sendra nahita azy. « Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Mety ho mamo izy ka tsy nahafehy ny familian aintsony » hoy i Thierry, mponina ao Anosy Avaratra.

Mijanona ho tombana ihany anefa izany fa miandry ny fanamarinana avy amin’ny tompon-andraikitra ny rehetra. Na izany aza mila mitandrina ihany isika mpitondra kodiaran-droa amin’izao. Lahitokana ny aina ka tsy hananam-piry. 

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire