ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Mila hamafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana

Matetika ny tranga vaky trano ao Ambohimanga Rova. Mila ny fiaraha-minetan’ny rehetra noho izany ho entina hiadiana amin’izany.

« Mitondra basy mihitsy ireo mpamaky trano. Lasany izao ny entana tamin’ny tokantrano iray teto Vakinapasika. Soa fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Efa nenjehin’ny fokonolona ireo olon-dratsy, saingy tsy tratra » hoy i Tolotra, mponina ao Ambohimanga Rova. « Niara-nientana ny Fokonolona nanenjika ny olon-dratsy. Mila hamafisina foana ny fiaraha-mientana tahaka izao. Tsara foana ihany koa ny mifandray akaiky amin’ny mpitandro filaminana hanamorana ny asa » hoy i Lanto, mponina ao Ambohimanga Rova.

Nisy tranga fanafihana ihany koa teny Imeritsiafindra ny andron’io ihany. Ilaina noho izany ny tagnamaro ho an’ny fandriampahalemana sy ny fiaraha-manangana paik’ady hamongorana ny ratsy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire