ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nanampy ny fianakaviana niharam-boina ny kaominina

Nahazo fanampiana avy amin’ny kaominina ny tokantrano iray niharam-boina tao Antanety Ankadikely. Main’ny afo ny efi-trano sy ny entana tao amin’ity tokantrano iray ity ary misedra fahasahiranana izy ireo amin’izao.

« Kojakoja fampiasana an-dakozia sy lamba firakotra ary vary no natolotra ho an’ireto fianakaviana ireto. Tsy hay ny hijery fotsiny manoloana izao voina mihatra amin’ny fianakaviana izao » hoy ny tompon’andraikitry ny lafiny sosialy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mankahery ireo niharam-boina izahay avy eto amin’ny kaominina. Misaotra ny « Quartier Mobile » tamin’ny fampandrenesana mba nahafahanay nanampy sy nankahery azy ireo » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Vonjy rano vaky tokoa izao natao izao. Ny fifanohanana amintsika samy mpiray monina no tena zava-dehibe manoloana ny loza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire