Cuba : Tsy hisokatra ny sekoly raha tsy vita vaksiny avokoa ny mpianatra
Nanambara ny ministry ny fanabeazana, Ena Elsa Velazquez ny talata alina teo fa ho atomboka ny 6 septambra ihany fandaharam-pianarana saingy amin’ny fahitalavitra. Tsy miverina an-tsekoly hoy izy ny mpianatra raha tsy vita vaksiny fanefitra amin’ny Covid avokoa. Fanampahan-kevitra izay noraisiny niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamana.
Marihina efa nanomboka tamin’ny martsa 2020 teo no nikatona ny toeram-pianarana tao an-toerana. Nisokatra herinandro vitsivitsy izany ny volana desambra 2020 alohan’ny nikatonany indray ny volana janoary teo. Amin’ny herinandro izao moa no novinavinaina hanokafana izany indray saingy nanova ny fanampaha-keviny ny ministra.
