Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka omaly 23 Mey 2022 ny volavolan-dalàna mikasika ny PRIRTEM I
24 May, 09h00. Fifarahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny Banque Européenne d’Investissement (BEI) entina hamatsy vola mitentina 363 688 233 000 Ariary na 81 300 000 Euros izay averina anatin’ny 25 taona. Ny tetikasa PRIRTEM I dia tetikasa hampifandray ny tambazotran’ny herinaratra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ankoatra ny famatsiana herinaratra amin’ny faritra andalovany (Analamanga, Alaotra Mangoro ary Atsinanana) dia hisy « sous stations » ihany koa ao Moramanga sy Brickaville, hapetraka ihany koa ny « électrification rurale » amin’ireo faritra ireo.
