Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny aminy Ecole d’Etat-Major(EEM), Fiadanana, ny fiofanana ho an’ireo « Commandant de Bataillon » manerana ny Nosy.
24 May, 08h00. Nanotrona izany ny solotenan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika,ny Jeneraly RAZAFITOMBO Eli. Ireo fototry ny fanavaozan-drafitra moa no lohahevitra vohizina mandritra ity fiofanana ity ka ny jeneraly RAKOTOSON Jocelyn, eo anivon’ny etamazaoron’ny Tafika an-tanety (EMAT) no miantsoroka izany ka roa herinandro ny faharetan’ity fiofanana ity fiofanana ity ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireto tompon’andraikitra ambony ireto.
