Dépêches

Nosybe :  Lehilahy lezionera frantsay hita faty tao antranony

Legrand Nicolas Jacques no anaran’ilay lehilay lezionera frantsay iray 39 taona no hita faty tao an-tranonyy tany ambondrona , Dzamandzar , Nosy be ny Alahady teo. Niantsoantso sy nandondona avy aty ivelany ny olona kanefa tsy nisy namaly, ka voatery nopitsohana ny tranony, rehefa tsikaritry ny manodidina fa tsy nivoaka mihitsy izy ny tontolo andro. Ny fatiny efa niampatra sy nihohoka teo afovoan-trano no hita tao. Nivoaka rà ny orony ary tsy nahitana fery na ratra kosa ny vatany. Tombanana ho efa maty nandritra ny 12 ora izy ary ahiana ho fianjerana no nahafaty azy. Tsy nisy very kosa ireo entany. Voalaza fa vao andro vitsy izy no tonga nanofa trano tany an-toerana.

Laisser un commentaire