Nidaosin’ny fahafatesana i Sammy Rastafanahy
20 Septambra, 10h00. Nodimandry tatsy la Reunion ny mpanakanto Sammy Rastafanahy ny Sabotsy lasa teo. Maniry anefa ireo fianakaviany ny mba hitondràna ny vatana mangatsikany hody aty an-tanindrazana saingy tsy ampy ny eo an-tanana, ka izay indrindra no nangatahany fanampiana avy amin’ireo malala-tanana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavina sy izay akaiky azy.
