Toliara : 49,72% ny taham-pahafahana bacc
18 Aogositra, 18h30, Nivoaka ny harivan’ny 17 aogositra ny valim-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’ny Toliara. Nahitana fihenana ny voka-panadinana tamin’ity taona ity. 49,72% ny taham-pahafahana tamin’izany. 21 848 ireo mpiadina nandritra izany, 10.863 kosa no afaka. Ny zoma 19 aogositra no vinavinaina ivoahan’ny valim-panadinana ho an’Antananarivo renivohitra.
