Zo @habaka : Nanomboka ny fiofanana iarahana amin’ireo mpahay lalàna sy ny manam-pahaizana manokana momba ny serasera sy ny ita
Mpandray anjara folo ahitana mpanao gazety, solotenan’ny firaisamonim-pirenena sy mpikirakira serasera avy ao Toamasina sy ny manodidina no nandray anjara tamin’ilay fiofana mahakasika ilay zo amin’ny habaka. Niompana tamin’ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny, sy ireo lalàna momba ny serasera an’habaka na an-jotra izany fiofanana izany, izay nanomboka ny 17 aogositra teo.
