Dépêches

Akon’ny fandalovan’ny Cheneso : Efa maro amin’ireo traboina no afaka mamonjy ny tokantranony

Dépêche 30 janvier, 14h, Teo ho eo amin’ny 160 teo ireo toerana nandraisana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso. Miisa 84 874 ireo traboina voatery nafindra toerana ireo. Efa maro amin’izy ireo no efa afaka namonjy ny trano fonenany ka toerana miisa 30 amin’izao fotoana izao no efa tsy misy traboina intsony. Hahazo tohana hatrany anefa izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafaritra. Hatreto dia ao amin’ny faritra Boeny no misy traboina betsaka indrindra miisa 25 347 izy ireo. Mbola azo atao hatrany ny manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana izay foy eny anivon’ny BNGRC.

Laisser un commentaire