Sosialy : Tonga ihany koa ilay sambo nitondra ireo « vary tsinjo »
Dépêche 30 janvier, 13h, Raha ny hita eny anivon’ny tsena eny dai efa hita midangana ny vidim-bary amin’izao. Manoloana izany indrindra dia efa manana paik’ady ny fitondram-panjakana hanampiana ny Malagasy rehetra amin’ny alalan’ny fanafarana vary tsinjo avy any ivelany. Miara-miasa amin’ireo orinasa lehibe izy ireo amin’izany ka efa tonga ihany koa ilay sambo « tai harvest » izay avy amin’ny SPM SA izay nitondra ireo vary tsinjo izay nafarana. Hatreto dia mahampy ny rehetra hatramin’ny fotoan’ny fararano ireo tahirim-bary amin’izao fotoana izao.
