ActualitésTsidika

Fifamoivoizana: Hampianarina hanaja ny lalana sy ny fampiasana izany ireo mpampiasa azy

Eny an-tsehatra indray ireo Polisim-pirenena hampirindra sy handamina ary indrindra hampiaantra ireo mpampiasa lalana mba hisian’ny filaminan’ny fifamoivoizana. Nametrahan’izy “chicane” iny lalana mihazo an’Antanimena avy eny Behoririka iny  mba hisorohana ny fitohanana eny amin’iny faritra iny. Fampianarana ireo mpampisa lalana mba hanara-dalàna no anton’izany.

“Ho an’ireo fiara madinika avy any Behoririka hihazo an’antanimena dia manana safidy 2 izy ireo amin’ny lalana tiany haleha, ny iray dia ny mandalo any amin’ny “piment café” ka manaraka ny ilany havia ary ny iray kosa dia ilay mandalo eo amin’ny BNI Behoririka aty amin’ny ankavanana”, hoy ny fanazavana avy amin’ireo Polisy mpandamina fifamoivoizana.

“Hanazarana ireo mpampiasa lalana tsy hiovova “fil” no anton’izao fametrahana chicane izao satria anisan’ny miteraka firohanana ireny fiara miovaova fil ireny matetika. Ireo fiara taxi-be izao dia lalana iray ihany no azony aleha dia ilay mandalo eo amin’ny BNI Behoririka, izany hoe ilay avy aty amin’ny havanana izany”, hoy hatrany ireo Polisy.

Fanabeazana daholo no ilaina amin’ny fanarahan-dalàna izany ka rehefa tsy mandray fanabeazana ny olona iray dia tsy hanaraka lalàna mihitsy izy na ho saziana foana aza. Amin’ny sehatra rehetra mihitsy dia mila hampitomboana izany fanabeazana izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire