Ankadikely Ilafy: Natolotra ny “Label SST de la Cnaps” ny orinasa “Actual Textiles”
Ny alarobia 05 oktobra lasa teo no nanolorana ny « Label SST de la Cnaps » ny orinasa « Actual Textiles » ao amin’ny fokontany Ambohimpanja, kaominina Ankadikely Ilafy, rehefa nahafeno ny fepetra sy ny fenitra rehetra amin’ny fanarahana ny fiarovana sy ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa ao aminy. Tonga nanome voninahitra izany fanolorana izany ny ben’ny tanàna tao an-toerana.
“Ny orinasa dia anisan’ny miara-miasa akaiky amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy amin’ny fampananan’asa ny mponina eto an-toerana ary anisany nanome tanana tamin’ny fametrahana ireo jiro ho an’ny daholo be” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Ny 60 isanjaton’ny mpiasa ao dia avy eto amin’ny kaominina avokoa. Nisy ny fandraisan’ny fiadidian’ny kaominina Ankadikely-Ilafy an-tanana ny fanofanana ireo tanora maro alohany nandraisana azy ireo hiasa tato amin’ny orinasa” hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
Mbola hisy, araka ny voalaza, ny lanonana ara-pomba ofisialy izay hiarahana amin’ny ministera misahana ny asa. Ny andrasana amin’ny sehatra tahaka izao dia ny hampiroboana ny sehatry ny asa indrindra ho an’ny tanora.
Manitra Ramanantsoa
